23 septembre 2025
FANKALAZANA NY ANDRO HO AN’NY FITSABOANA NENTIM-PAHARAZANA ATY AFRIKA
Tontosa soamatsara ny fankalazana ny Andro ho an’ny Fitsaboana Nentim-paharazana aty Afrika na ny Journée Africaine de la Médecine Traditionnelle «JAMT» teto madagasikara. Natao tao amin’ny efitrano malalaka Plan eo Anosy ny Zoma 29 Aogositra 2025. Izany dia natrehan’ireo vahiny manakaja maro, anisan’zany i Ramatoa Talen’ny Farmasia, Laboratoara ary ny fitsaboana netimpaharazana, Ramatoa Talen’ny Ivontoeram-pikarohana […]
Tontosa soamatsara ny fankalazana ny Andro ho an’ny Fitsaboana Nentim-paharazana aty Afrika na ny Journée Africaine de la Médecine Traditionnelle «JAMT» teto madagasikara. Natao tao amin’ny efitrano malalaka Plan eo Anosy ny Zoma 29 Aogositra 2025. Izany dia natrehan’ireo vahiny manakaja maro, anisan’zany i Ramatoa Talen’ny Farmasia, Laboratoara ary ny fitsaboana netimpaharazana, Ramatoa Talen’ny Ivontoeram-pikarohana ny zavamaniry fatao fanafody na «CNARP», Andriamatoa solotenan’ny OMS ary i Andriamatoa Filohan’ny Fikambanam-pirenen’ny Mpitsabo nentimpaharazana eto Madagasikara, notronon’ireo vahoaka maro indrindra fa ireo mpitsabo netim-paharazana manerana ny nosy. Marihina fa ny lohateny voizina amin’ity andiany faha-23 ity dia « HAMAFISINA NY ANTONTAN-KEVITRA VOAPOROFO ARA-TSIANSA MOMBAN’NY FITSABOANA NETIM-PAHARAZANA. »

Tahaka ny lanonam-panjakana rehetra, nisy ny kabary nifandimbiasana izay nataon’ireo vahiny manakaja nasaina, izany dia nohelanelanina fanentanana vakondrazana malagasy izay notarihan’i «groupe famille Ravinala». Nifaranana tamin’ny fitsidiana trano heva nialohavan’ireo vahiny manakaja ary narahan’ireo vahoaka maro izay nanotrona ny tapany maraina.

Ny tolakandro hariva kosa dia nisy ny dinidinika arahana adihevitra momban’ny Fitsaboana netim-paharazana ary nasongadina tamin’izany ny « APA na Accès de Partage des Avantages». Izahay eto amin’ny departemantan’ny Farmasia, Laboratoara ary ny Fitsaboana netim-paharazana izay ao ambany fiahin’ny Minisitera Fahasalamam-bahoaka dia manantitra ny fisaorana lehibe hoan’ireo mpiaramiombonatonka izay nanampy teo amin’ny fanatontosana ny hetsika lehibe zay natao tamin’ny Andro ho an’ny Fitsaboana Nentim-paharazana aty Afrika

Nos partenaires
Conçu et Hébergé par Sunsoft pour la DPLMT, 2023